Tatitra mahakasika ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI, tany Toamasina, no vontoatin’ny fampiantsoan’ny “Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes” na ny BNGRC, ny mpanao gazety, teny amin’ny foiben-toerany, ny alakamisy 12 martsa 2026. Tatitra izay niompana tamin’ny fotoana niasan’izy ireo tany an-toerana nandritry ny 15 andro.
Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, dia miisa 62 no namoy ny ainy raha manodidina ny 17.000 ny isan’ireo tokantrano traboina. Vary 1050 taonina no efa nozaraina tamin’ireo traboina ireo hatramin’izao. Noho i Toamasina potika 95% dia ny kojakoja amin’ny fanamboarana trano toy ny fanitso no tena ilaina maika any an-toerana hoy hatrany ny nambaran’ny BNGRC. Ny sekoly sy ny hopitaly ary ny tranom-panjakana no ezahan’ny BNGRC hojerena amin’izao fahavoazana izao. Vonjy taitra ihany no niantsorohan’ny BNGRC tao anatin’ny fotoana voafaritra fa mbola handray an-tanana ny fiatrehana ny fanarenana tsikelikely ny andavanandron’ny mponina indrindra fa ireo marefo anefa izy ireo, ao anatin’ny 30 andro manaraka.
Ny BNGRC sy ny Ambatovy dia niara-niasa tamin’ny hahafahana miatrika ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI. Tsy voasakana anefa izany satria dia izao rava tanteraka izao Toamasina, hoy hatrany ireo tomponandraikitra ao amin’ny BNGRC. Ny BNGRC izay tsy mandray mivantana ny vola fanampiana avy any amin’ireo Iraisam-pirenena fa efa misy ireo Ambaratonga mahefa miandraikitra izany. Ireo fanampiana avy amin’ny olon-tsotra sy ireo mpiara-miasa aminy kosa no tonga dia movantana any amin’ny BNGRC, arahk ny fanazavana voaray hatrany.


