BORIBORINTANY FAHAROA : Hampiditra zatovo 15 isaky ny fokontany ny delege

Mahakasika ny tsy fandriampahalemana matetim-pitranga ao amin’ny Boriborintany faharoa, indrindra fa eny amin’ny fokontany Ambolokandrina, Ambohipo, Manakambahiny ary Andohan’i Mandroseza iny dia nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny kaomisaria ny Boriborintany faharoa, ny ekipan’ny depiote Lanto Rakotomanga, ny lehiben’ny distrika ary ny teo anivon’ny Boriborintany faharoa. Nambarany delege, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise, fa ny fivoriana izay natao dia niompana bebe kokoa momba izay tsy fandriampahalemana izay. Tapaka tao anatin’izany fa hanangana « pilote » ny Boriborintany faharoa. Hanao « recrutement » andrimasom-pokonolona amin’ireo fokontanyvoakasika ireo ny delege, ka 15 isaky ny fokontany no halaina. Rehefa vita ny « recrutement » vata-dehilahy hirotsaka amin’izany, dia hisy ny fiofanana omena azy ireo. Ny eo anivon’ny kaomisaria no handray an-tanana manokana momba izay fiofanana izay, ahafahany hiatrika izay asana andrimasom-pokonolona izay. Vita ny fiofanana dia raisin’ny ramatoa solombavambahoaka indray ny fampitaovana ho an’ireo andrimasom-pokonolona ireo. Ny avy eo anivon’ny Boriborintany faharoa CUA indray no hanaramaso ny asany sy ny fivoaran’ny « recrutement » izay natao sy ny akony eny anivon’ny vahoaka andavanandro izay, hoy hatrany ny delege. Tsy misy tambikarama omena an’ireo andrimasom-pokonolona ireo, fa fanolora-tena sy fanaovana asa soa no hatao. Omena fahana izy ireo, mba ahafahana mifandray, ao anatin’ny fampitaovana izany. Ny solon-tsakafo dia mety hisy eny anivon’ny fokontany sy ny ekipan’ny depiote. Marihana, fa mety tsy ho isan’andro io solon-tsakafo io, hoy ny hatrany ny delege. Mikasika ny tetikasa madinika indray dia miditra amin’ny andiany faha efatra ny eo anivon’ny Boriborintany faharoa amin’izao. Misy lalan-kely ao Tsiadana izay hatao béton izay manodidina ny 20 metatra eo ary efa mamarana ny asa amin’ity herinandro ity izy ireo ary hiditra amin’ny tetikasa madinika fahadimy indray, izay mbola lalan-kely ary hatao pave indray izy io izay mirefy 50 metatra eo, eny Mahazoarivo io. Ny Boriborintany faharoa no mandray an-tanana izay tetikasa madinika izay, hoy ny delege. Fa ny fotodrafitr’asa dia tena mbola betsaka amin’izao. Ao ny raisin’ny FID an-tanana. Maro ireo lalan-kely eny anivon’ny fokontany no raisin’ny Boriborintany ary efa nanomboka ny voalohan’ny volana jiona lasa teo ny fanamboarana.

Miverina ny mariazy asabotsy

Ho an’ny eo anivon’ny Boriborintany fahatelo kosa indray, dia taorian’ny fahataperan’ny fihibohana tanteraka ny sabotsy ny alahady dia efa miverina amin’ny laoniny ny asa aman-draharaha rehetra. Efa miverina manatanteraka ny fanaovana ny mariazy asabotsy indray ny Boriborintany fahatelo amin’izao ary efa mamarana ny fanaovana ny mariazy zomà koa ny Boriborintany fahatelo. Nambaran’ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina, dia amin’ny fotoana toa ireny dia misy ny fanajana ny hamehana ara-pahasalamana ary manentana ny olona ny tokony hitandremany. Ankoatra izay dia mitohy ny asa hataon’ny Boriborintany fahatelo, tahaka ny eny Betongolo. Misy ny fametahana tatan-drano lehibe izay efa nisy sy fanaronana dalle miisa 50 any ho any. Tahaka izany koa ny etsy Andravoahangy ampitan’ny solomaso, firosoana ny fanetsenana ireo dalle izay manelingelina. Mbola hiroso koa eny Andravoahangy Tsena ny delege, eny amin’ny fivarotana akoho sy eny rehetra eny mikasika ny sarona dalle. Ato ho ato dia hisy ny dinika manokana hiarahana amin’ireo ratsamangaikan’ny Boriborintany fahatelo sy ny tompon’andraikitry ny filaminana handinihana ny mikasika ny tsy fandriampahalemana, hoy hatrany ny delege.

Vous aimerez aussi