KAOMININA ARIVONIMAMO : Nahazo jiro 25 isa avy tamin’ny filoha Rajoelina Andry

Nahazo jiro miisa 25 avy tamin’ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoha Andry Rajoelina, ny kaominina Arivonimamo. Ka nametrahana izany ny tao amin’ny fokontany Andranomena, Mangatany ary Miadanimamo. Ireto fokontany ireto izay hanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Napetraka isaky ny andrin-jiro, ireo jiro avy amin’ny fanjakana ireo ary napetraka nanamorona ny lalam-pirenena voalohany ary manazava sy manome endriky ny tanàna ary hisorohana ny lozam-piarakodia koa. Nilaza ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo, atoa Randrianarisoa Manoa Vincent de Paul, fa nahatratra 1 628 ireo olona vita vakisiny. 18 taona miakatra ka hatramin’ny 70 taona ireo nanao vakisiny. Ny 23 sy 24 jona lasa teo, dia nivory nikaon-doha tao amin’ny tranom-pokonolona Arivonimamo ireo mpikambana izay miisa 56 ao anaty ny rafitra fikaonandoha ifotony. Natsangana ity rafitra ity, mba hanampy ny Ben’ny tanàna amin’ny fampandrosoana ny tanàna, fa tsy vitan’ny mpanatanteraka irery ny fampandrosoana ny tanàna, satria mivoatra ny tanàna. Voakilasy ho tanan-dehibe ny koaminina, ka mila olona maro mba hikaon-doha ho entina hampandrosoana ny tanàna. Tsy vitan’ny mpitondra irery izany, fa entanina ny vahoaka mba hanampy an’izay fampandrosona ny tanàna izay. Ka io fivoriana notanterahina nandritry ny 2 andro io, dia nojerena izay fampandrosoana entina hampandrosoana ny koaminina Arivonimamo izay. Singany amin’izany ireto olana vitsivitsy, eo ny fitadiavana, izany hoe ny toe-karena izany, ny tsy fahampian’ny asa. Maro ireo zanakan’Arivomamo no tsy miasa nefa nahavita fianarana, ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana, indrindra tao anatin’izao valan’aretina covid19 izao. Eo ihany koa ny fahateren’ny tanàna, satria mitombo isa ny olona, mitombo koa ny fiara, ka mihatery ny tanàna ary mitombo koa ny loto, satria miha maro ny vahoaka ao Arivonimamo, ny tsy fahampian’ny rano izay sedrain’ny vahoaka avokoa izany rehetra izany. Dia izay no anisan’ny fikaonan-doha, nijerena vahaolana ary mijery ireo olana ireo ity rafitra ity iarahana amin’ny mpanatanteraka. Ankoatra izay, noho ny antony ara-bola dia polisy monisipaly 3 monja no misahana tanan-dehibe nefa mafy ny asan’izy ireo. Nasondrotra amin’ny grady ireto polisy 3 ireto mba ho famporisihana azy ireo hiasa mba hanao bebe kokoa mba hanandanja eny anivon’ny fiarahamonina koa. 3 aloha hatreto ny polisy monisipaly ary mikasa ny hampiditra polisy monisipaly 2 hanampy ireo 3 efa misy ny koaminina, fa ilaina fankatoavana avy amin’ny mpanolontsaina ny tanàna izany, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna.

Vous aimerez aussi