Trano miisa 608 ary olona an’arivony no hisitraka trano moderna, afaka herintaona. Fantatra izany nandritra ny fametrahana ny vato fototra teny Ivato, io maraina io.
Hatsangana ny building na ny trano avo miisa 38, izay misy rihana 4 avy. Ahitana fonenana 16 avy indray kosa izany. Izany hoe mahatratra hatrany amin’ny 608 ny fonenana ho hita.
Ho an’ny manana fari-piaina antonony
Tsy mbola voalaza mazava ny saran’ny hofan-trano amin’izy ireo. Ny fantatra dia atao ho an’ireo sokajin’olona manana anto-pivelomana antonony ity fonenana ity, ka hisitrika izany ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa amin’ny orinasa tsi-miankina.
Voalaza fa efaina amin’ny sarany mirary ny hofany ka afaka 15 taona dia ho tompony ny mpanofa. Azo atao, noho izany, ny manatsara ny atiny sy ivelan’ny trano.
Herintaona no ho vita
Afaka herintaona dia ho vita ireo trano ireo ary efa mandeha ny tolo-bidy ho an’izay mpandraharaha hahazo ny asa fanorenana. Araka ny voalaza hatrany dia tetibolan’ny Fanjakana madiodio no hanatanterahana izao tetikasa izao.
Manakaiky ny toby miaramila 1er RFI eny Ivato moa no hananganana izao foto-drafitrasa izao Ary hipariaka manerana ny nosy ny fanaovana azy.
Mangarahara
Araka ny voalaza matetika dia hatao amin’ny fomba mangarahara ny fahazoana trano eny fa tsy misy ny kintranoantrano.
Irina, noho izany, ny tsy handraofan’ny mpanakarena indray amin’ny ambongadiny izany trano izany ka hampanofany izany indray avy eo.
Mba hipaka amin’ny olona sahaza azy tokoa ny trano fonenana tahaka itony.
