Baolina roa (2) no matin’i Carolus, nandritra ny andro fahasivin’ny « Premier League » izay natao tany Arabia Saodita, ny sabotsy lasa teo. Isa roa izay nitarika ny fandresen’ny ekipany raha nifandona tamin’ny Al Hazm Rass.
Araka izany dia i Carolus no mpamono baolina faharoa mendrika indrindra hatreto, amin’ity fifaninanana ity.
Efa nitarika 1 noho ny 0 ny ekipan’ny Al Hazm Rass teo amin’ity kianja « Prince Abdalla Bin Jalawi » ity, raha nahafaty ny baolina teo amin’ny minitra faha-22.
Nandritra ny fidirana faharoa anefa dia nosahalain’ny Al Adahl FC izany, tamin’alalan’i Carolus, izay namono ny baolina teo amin’ny faha-59 minitran’ny lalao. Tsy nijanona ho 1-1 anefa ny baolina fa mbola nampidirin’i Carolus ihany koa ny baolina faharoa teo amin’ny minitra faha-71. Izany no nitarika ny fandresen’ity ekipa misy azy ity.
Vonona ho amin’ny Barea
Fahavononana sy fanantenana sahady ananan’i Carolus izao vokatra izao mba hiarahany indray amin’ny ekipan’i Barea, izay hiatrika ny lalaon’ny CAN 2021. Anisan’ireo 25 miarahalahy mbola voafidy hiaro ny voninahi-pirenena malagasy manko ny lehilahy. Ho tonga ny 11 novambra ho avy izao izy, hiatrika ny fampivondronana ny ekipa malagasy. Ary hiatrika ny lalao hifandonana amin’i Etiopia sy Niger.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.