CCO AO BOENY : Hentitra amin’ny tsy hiparitahan’ny covid-19, tsy maintsy manao arovava ny rehetra

Hiditra amin’ny fanasaziana ny mpitandro ny filaminana…! Manoloana ny fivoaran’ny valan’aretina COVID-19 sy ny fitombon’ny isan’ireo olona voan’izy io eto Madagasikara, dia nandray fanapahan-kevitra hentitra ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ireo manampahefana ao amin’ny CCO Boeny nandritra ny fivorian’izy ireo, ny zoma 22 May teo, izay notarihin’ny Lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana Atoa Bazezy Vanombe Clavelah. Hanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny Coronavirus àry dia, tsy maintsy mitondra arovava sy orona ny olon-drehetra manomboka izao, rehefa mivoaka ny trano. Hidina an-dàlam-be ny mpitandro filaminana hanara-maso ny fampiharana izany ary hampianatra sy hanentana ny olona hametaka “cache bouche” mandritra ny fotoana tsy voafetra.  Hisy fanaraha-maso hentitra ho atao eny amin’ireo sakana ara-pahasalamana, satria misy ny baranahiny ary misy koa ireo olona mahita irika hidirana an-tsokosoko ao amin’ny faritra hatrany, hoy ny fanazavana ary misy amin’izy ireo no miafina any anaty entana ary misy ireo misandoka fahazoan-dàlana na mampitombo isan’olona mihoatra izay isa nahazoan-dàlana. Ho an’ny “cache bouche” manokana, dia tsy hisy aloha ny fanasaziana ireo izay tratra tsy mitondra izany amin’izao fotoana, fa mbola fampianarana sy fanentanana no nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’io andro io, fa hiditra amin’ny fanasaziana izy ireo amin’ity herinandro ity, hoy ny tati-baovao azo hatrany.

Vous aimerez aussi