CEG SOAMANANDRARINY : Nahazo kianja fanaovana fanatanjahatena marolafy

Kianja azo hilalaovana taranjam-panatanjahatena marolafy toy ny baolina kitra, basket-ball, hand ball ary volley-ball izay vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Lycée Français de Tananarive ary ny Jeunes solidaires sy ireo Mpandraharaha sy Mpampianatra ary ireo Ray aman-drenin’ny Mpianatra eo anivon’ny CEG SOAMANANDRARINY no notokanana ny Alakamisy 13 Novambra.

“Ao anatin’ny Vatana tomady no misy ny saina matsilo” Ho fanatanterahana izany sy ho fanalana fahasahiranana ireo mpianatra hitady kianja ivelan’ny sekoly rehefa oran’ny fanatanjahatena no nanorenana ity kianja ity, ao anatin’ny faritry ny sekoly, hoy, Rakorondratsimba Fenomanana Luc, Talen’ny CEG SOAMANANDRARINY. Nanentana ireo mpianatra hahay hikoja sy hikolo ity foto-drafitrasa ara-panatanjahatena vaovao ity ny solontena avy ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely, izay notarihan’ny Talen’ny kabinetra. Naneho ny fahavononany hatrany hiara-hiasa ho amin’ny fanabeazam-boho ny lafiny fanabeazana ny avy eo anivon’ny Lycée français eto Antananarivo sy ireo “Jeunes solidaires” Lalao baolina kitra sy basket-ball nandraisan’ireo ankizy Mpianatra lahy sy vavy no nisantarana ny kianja. Nisy ihany koa ny dihy nentina namarana ny fotoana.

Vous aimerez aussi