CENI : Ambany ny tahan’ny mpifidy nisoratra anarana anaty lisitra

Hifarana amin’ity herinandro ity ny fara-fisoratana anarana ao anaty lisim-pifidianana, araka ny tetiandro napetraky ny vaomiera mahaleo-tena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Tao anatin’ny 3 volana no fe-potoana nomen’izy ireo ny olom-pirenena mba hisoratany anarana anaty lisitra sy ireo mpifidy vaovao. Nisy ireo efa voasarotra anaty lisitra ary tokony hanamarina ny anarany. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, atoa Thierry Rakotonarivo, fa ambany ny tahan’ny mpifidy voasoratra anarana amin’izao fotoana izao, izany hoe 1,5 isan-jato. Mbola manentana ny olom-pirenena rehetra hatrany ny eo anivon’ny Ceni amin’izao herinandro tsy hikatonan’ny fisoratana anarana anaty lisim-pifidianana izao, mba hisoratra anarana. Araka ny nambaran’ny sefo fokontany nanaovana fanadihadiana, dia malaina ny olona ny hisoratra sy hanamarina ny anarany ao anaty lisitra. Voalazany, fa misy ny fanodikodinana ny safidiny, ny halabato, sns, ka tsy miraika amin’izay hisoratra anarana ny olom-pirenena. Mangataka ireo mpanao politika sy ny fiaraha-monim-pirenena, ny hery velona rehetra koa ny Ceni, mba hiditra ao anatin’ilay vaomiera mikarakara ny lisim-pifidianana eny anivon’ny fokontany, mba ho lavorary ny fandrafetana ny lisitra rehefa tonga ny  fifidianana, mba hanjakan’ny demokrasia. Tsiahivana, fa nisokatra ny 1 desambra lasa teo ny fanavaozana ny lisim-pifidianana ary hifarana ny 15 febroary ho avy izao izany, koa hanentanana ny olo-pirenena tsy ankanavaka hatrany izany, hoy hatrany ny Ceni.

Vous aimerez aussi