Tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Antenimierampirenena amin’izao fivoriana ara-potoana izao ny fifidianana izay hisolo ny toerana banga ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Araka ny tetiandro dia amin’ny 11 jona ho avy izao no hifidy izay ho solon’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI teo aloha ireo parlemantera. Tsiahivina fa niala na/sy nesorina tamin’ny toerany atoa Thierry Rakotonarivo taorian’ny fanambarany ireo anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana sy ny karapanondrom-pirenena miverin-droa, izay nampiozongozona tanteraka ny fahefam-panjakana noho ny fiheverana fa nisy lalao maloto ny fifidianana nahalany ny Filohampirenena Andry Rajoelina sy ny olom-boafidy maro. Atsangana amin’io andro io ihany koa ny vaomiera manokana hisahana ny atao hoe “Mise en Accusation” eo anivon’ny fitsarana avo.
