CENI : Voafidy ireo mpikambana vaovao handrafitra azy

Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, dia noraisina anio sabotsy 30 oktobra 2021 ny didim-panjakana laharana faha 2021-1200 izay anamarinana ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany rafi-panjakana izany.

Araka izany dia ireto avy ireo mpikambana voafidy handrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena  misahana ny Fifidianana na CENI mandritry ny enina (06) taona manaraka :

– Voafidin’ny Antenimieran-doholona :

  • Atoa RAZAFIMAMONJY Laza Rabary

– Voafidin’ny Antenimieram-pirenena :

  • Atoa HOUSSENE Abdallah

– Voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana :

  • Atoa FIDIMIAFY Roger Marc

– Voafidin’ny holafitry ny Mpisolovava :

  • Atoa JEANNOT Guy Georges Razafindraibe

– Voafidin’ny holafitry ny Mpanao Gazety :

  • Atoa ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka

– Voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana :

  • Atoa RAVALITERA Jacques Michaël ;
  • Atoa ANDRIAMALAZARAY Andoniaina.

Marihina fa araka ny lalàna dia miisa sivy (9) ny mpikambana ao amin’ny Vaomieram-pirenena  Mahaleotena misahana ny Fifidianana na CENI, ka ny mpiakambana anankiray izay tendren’ny Filoham-pirenena sy ny anankiray izay fidian’ny Fitsarana Tampony dia ho fantatra afaka andro  vitsivitsy.

Vous aimerez aussi