« CENTRE IMMATRICULATEUR DE MADAGASCAR » AMBOHIDAHY : Hisokatra rahampitso alarobia ary hisy ny « Service Minimum »

Hisokatra manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ka hatramin’ny 11 ora sy sasany ny « Centre Immatriculateur » (CIM) na foibe mpanamboatra taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara na « permis » sy ny « carte grise » etsy Ambohidahy, rahampitso alarobia. Nambaran’ny tompon’andraikitra teny an-toerana, fa hisy ny « Service Minimum » ho an’ity “Centre” ity manomboka amin’io alarobia voatondro io. Ho ferana 50 ihany koa ny isan’ny olona horaisina ao an-toerana, hoy ny sefon’ny CIM, satria mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fanazavany. Voalazany, fa noho ny fandaminana napetraky ny ministera no nandraisana izao fanapahan-kevitra ho an’ny CIM etsy Ambohidahy izao. Nohon’ny fisian’ilay valan’aretina covid-19 no antony nampiatoana ny fizarana ny« document » na ny dosie rehetra tao amin’ny « CIM. Nomarihan’ny sefo CIM, fa ny CIM manerana ny nosy no hanao io « service minimum » io avokoa, hoy ny tatitra azo. Araka ny fanazavana hatrany, dia tsy hisy ny fandraisana ny antontan-taratasy vaovao na “nouveau dossier” fa ny dosie efa nijanona tao amin’ny CIM no ezahina havoaka sy hozaraina manomboka amin’io alarobia io, ary hatokana ny toerana hizarana izany ao Ambohidahy, araka ny fantatra. Ny talata, alarobia ary ny zomà kosa ny fizarana ny “lenticement” na“permis” sy ny “carte grise”, fa ny talata sy ny alakamisy kosa ny fizarana ny“carte violette”, hoy ny fanazavany. Farany, hisy ny peta-drindrina hametrahana ny anaran’ireo olona tompon’ny dosie zaraina ao amin’ny CIM Ambohidahy ireo. Ny any amin’ny faritra kosa, dia anjaran’ny sefo CIM sy ny tompon’andraikitra any amin’ny faritra no mandrindra sy mandamina ny fizarana izany. Marihana, fa tokony hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ireo olona tonga ao amin’ny CIM eny Ambohidahy manomboka ny alarobia ho avy izao, satria mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika amin’izao fotoana izao, hoy ny sefo CIM.

Vous aimerez aussi