Vehivavy 1 indray no namoy ny ainy noho ny valanaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Vehivavy 61 taona izy io, taizan’aretina tosidrà ary notsaboina tao Morafeno Toamasina. Miisa 10 izany ireo lavon’ity valanaretina ity.
24 kosa ny isan’ny tranga vaovao hita tamin’ny fitiliana miisa 241 nataon’ireo laboratoara telo. Miisa 1 162 izany ireo voatily nitondra sy mitondra ity valanaretina ity.
Miisa 22 kosa ireo sitrana, ka 16 tetsy Befelatanana Antananarivo ary 6 tany Toamasina.
Mbola misy 857 kosa ny isan’ireo mbola tsaboina, izay 8 amin’izy ireo no manana fahasarotana.
296 kosa ireo efa sitrana soa amantsara.
Mitontaly 14.525 kosa ny isan’ny fitiliana natao hatrizay.
Mitohy ny fepetra
Mitohy mandrakariva, araka izany, ny fepetra raisina amin’ny fiadiana ity valanaretina ity. Na dia eo aza ny fivahana tsikelikely amin’ny fihibohana dia mila tandremana hatrany ny fiarovan-tena , izay fiarovana ny hafa indrindra koa.
Heverina fa mbola misy hatrany ny mitondra ny valanaretina kanefa miriorio anaty fiaraha-monina any. Noho ny tsy fahampian’ny fitiliana izay tokony hatevenin’ny Fitondrana dia iononana ny kely misy ka atao mitsitaitaika eo ny fitiliana na dia goragora aza ny fifehezana ny fiaraha-monina.
