CORONAVIRUS : 120 no indray sitrana androany

Miisa 120 ny isan’ireo sitran’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy tamin’ity andro ity. Araka ny filazana dia avy tao Toamasina avokoa ny 108 tamin’izy ireo. Nisy 7 koa anefa tao Moramanga ary nisy koa ny tetsy Befelatanana.

618 araka izany ny isan’ny sitrana rehetra hatrizay.

60 kosa ny tranga vaovao voatily androany, araka ny fitiliana miisa 251 nataon’ny laboratoara roa.

Ny 44 tamin’ireo voa vaovao ireo dia teto Antananarivo, ny 12 tao Fenoarivo Atsinanana ary 4 Toamasina.

Miisa 1 503 izany ny isan’ny olona voa hatrizay.

873 izany no isan’ireo mbola tsaboina, ka 7 amin’izy ireo no manana fahasemporana.

Maro no sitran’ny Covid Organics

Araka ny fanambarana ofisialy hatrany dia maro tamin’ireo olona sitrana ireo no nanaraka ny fitsaboana tamin’ny tambavy Organics.

Fahombiazana, araka izany, ny fisian’ity fanafody ity raha izany tokoa no izy. Koa inona no andrasana tsy hanaparitahana azy ity ?

Misy ny faritra no tsy mbola nahitana azy ity mihitsy kanefa tokony hapetraka maimaipoana ho an’ny olona isam-pokontany izy ity raha tena tsy ho lalaovina tokoa ny aretina.

Vous aimerez aussi