CORONAVIRUS : 3 indray no maty, 213 no voa vaovao

Nitombo 3 indray ny namoy ny ainy noho ny valanaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Tsy ambara intsony moa ny hopitaly na toerana nisian’izany tao ho ao. Ny zava-dehibe dia ny hisian’ny fitandremana na aiza na aiza misy izany.
32 izany ny isan’ireo matin’ity tsimokaretina ity.

213 kosa ny isan’ny olona vaovao voany, ka ny 197 dia eto Antananarivo, 8 Vakinakaratra, 4 Faritra Atsinanana ary 4 Matsiatra Ambony. Mahatratra 2941 izany ny olona voany hatrizay.

Miisa 1108 kosa ny isan’ireo olona sitrana ka nisy tamin’izany ny teto Antananarivo (Befelatanana sy Anosiala) ary ny tany amin’ny Faritra Atsinanana.

1801 ny isan’ireo mbola tsaboina ka 33 no manana fahasoratana ara-pahasalamana.

Mitontaly 24 530 kosa ny isan’ny fitiliana vita hatrizay.

Andrasana ny fiantraikan’ny fepetra

Mitombo hatrany ny fahavoazana ateraky ny valanaretina. Mitombo isa ny maty sy ny voa. Efa noraisan’ny Fitondrana iny ny fepetra vaovao mahakasika ny fihibohana mandritra ny 15 andro indray.

Tsy ho araka ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny anefa ny hanara-maso ny elanelan-trano rehetra eny fa tokony hanana fahatsiarovan-tena ny tsirairay amin’ny fanarahana ny toro-marika rehetra.

Ilaina ihany anefa ny fanentanana sy ny fampahatsiahivana hataon’ny tompon’andraikitra isam-pokontany eny mba ho fanampiana ny mponina.

Vous aimerez aussi