32 indray no isan’ireo olona voan’ny coronavirus ka nivoaka ny hopitaly androany satria sitrana soa amantsara. 344 izany no isan’izy ireo hatrizay.
877 izany sisa ireo mbola manaraka fitsaboana, izay 10 amin’izy ireo no manana fahasemporana.
27 kosa no tranga vaovao voatily, ka ny 17 teto Antananarivo (Arivonimamo, Ivato, Ambohimanarina, Talatamaty, Manjakaray, Anjanahary, 67 Ha) ary ny 10 hafa tany amin’ny Faritra Analanjirofo (Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana,…).
1 240 izany ny isan’ireo voa hatramin’izay.
Ny IPM sy ny CICM no nanao ny fitiliana 201 sy 140 nahazoana io tarehimarika io.
Mijanona ho 10 kosa ny isan’ireo namoy aina.
Mila mitandrina na aiza na aiza
Na voalaza aza ny faritra fonenan’ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina dia mila mailo hatrany ny any amin’ny faritra hafa.
Mety hampitombo tokoa ny fitandremana raisin’ireo olona eny amin’ny Fokontany nahitana mponina mitondra ny tsimokaretina izany, kanefa koa tokony hanamafisina ny fepetra raisin’ireo Fokontany mbola tsy nahitana tranga.
Ny fitandremana hatrany anefa no tena zava-dehibe n’aiza n’aiza misy ny tsirairay avy. Zary mamita-tena ihany manko ny mety fisian’ny olona hita ho salama kanefa mitondra soritraretina, izay tsy ho fantatra velively raha tsy manao fitiliana.
