Miisa 36 indray ny isan’ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto amintsika, araka ny filazana ofisialy tamin’ity andro ity.
Ny 22 tamin’izy ireo dia tao Toamasina, 7 tao Moramanga, 2 Ambatomirahavavy, 2 Alakamisy Fenoarivo, 1 Soavinandriana, 1 Matsiatra Ambony ary 1 tao Ambatovy.
Mitontaly 826 izany ny voan’ity aretina ity teto amintsika.
Miisa 174 kosa ireo sitrana hatrizay satria niampy 6 izany androany, ka ny 5 tany Toamasina, 1 teto Antananarivo.
646 kosa izany ny isan’ireo mbola tsaboina, izay mijanona ho 8 ihany ny isan’ireo manana toe-pahasalamana ahiana.
Mijanona ho 6 kosa ny isan’ireo namoy aina.
Mitombo ny fahamailona
Hitombo ny ora hiasana manomboka rahampitso. Noho izany, mila ampitomboina ihany koa ny fahamailona amin’ny fandraisana ny fepetra tokony harahina.
Tsy ny mpiasa ihany moa no mivoaka amin’ny fotoana tahaka izao raha ny eto amintsika fa manararaotra izany avokoa ny rehetra. Izany no hampitombo betsaka ny fifampikasohana eny anaty fiaraha-monina eny, ka ilana indrindra ny fampitomboana ny fahamailona ihany koa.
