CORONAVIRUS : 4 no sitrana, 1 no voa

1 indray no voatily ho voan’ny otrikaretina tamin’ity andro alahady ity ary 4 no sitrana.

Ireo indray no tarehimarika avy amin’ny fampahalalam-baovao ofisialy, miainga avy eny amin’ny CCO Ivato.

Tovolahy 25 taona, monina eny Ambatokaranana Antananarivo ity nahitana tranga vaovao ity.

Araka izany dia miisa 82 sisa ireo tsaboina  eny anivon’ny hopitaly manerana ny Nosy eny.

Amin’izy ireo dia tsy misy ny ahitana soritraretina goavana.

Tsy misy koa ny namoy aina teto amintsika.

Irariana hatrany ny hitomboan’ireo olona sitrana ary ny tsy hampisy intsony ny voa vaovao. Tsotra hatrany anefa ny hahatongavana amin’izany faniriana izany dia ny fanarahana ny fepetra enti-misoroka ny fahazoana ilay otrikaretina.

Fototr’izany ny fanajana ny elanelana iray metatra. Ny fisasana tànana matetika. Ny fanaovana sarom-bava,…Ary raha azo atao dia tsy tokony hatao ny famangivangiana ny havana na ny namana.

Misy koa anefa ny ezaka avy amin’ny Fitondrana ny amin’ny tsy tokony hisian’ny fitangoronana sy ny fampitandremana ireo olona mivezivezy tsy amin’antony lehibe loatra.

Vous aimerez aussi