CORONAVIRUS : 41 indray ny tranga vaovao

Tsy nisy ny namoy aina tamin’ity anio ity. Mijanona ho 8 ireo olona tsaboina manana fahasemporana.

16 kosa no sitrana, ka ny 8 tao Morafeno Toamasina, 3 tao Analakininina, 4 tao Befelatanana ary 1 tao Andohatapenaka. 312 izany ny isan’ireo sitrana hatrizay.

41 kosa no isan’ireo olona vaovao nahitana ny tsimokaretina, tamin’ny fitiliana 363 nataon’ny laboratoara telo, ka ny 31 tamin’izy ireo dia tao Toamasina ary ny 10 teto Antananarivo.

Tafaka 1 203 izany ny isan’ireo voan’ity aretina ity hatrizay.

882 kosa ireo mbola manaraka fitsaboana ankehitriny.

14 857 kosa ny tontalin’ny fitiliana natao hatramin’izay nisian’ny valanaretina teto.

Aretina tsy mahamenatra

Tsy sanatria aretina mahamenatra akory ny voan’ity covid-19 ity fa tahaka ny aretina rehetra ihany, ka azo tsaboina tsara.

Tsy tokony hatao, araka izany, ny fanilikilihana ireo voany sy efa voany fa ny fiarovantena no zava-dehibe.

Ny fanaovana sarontava no zava-dehibe indrindra satria tsy voahaja loatra ny elanelana iray metatra raha ny eto amintsika, noho ny hamaroan’ ny mpiantsena sy ny mpandeha taksibe. Eo ihany koa ny famorivoriana olona samihafa.

Ilaina koa ny fanasan-tànana isan’ora raha azo atao. Raha tsy voafehy izany dia fadiana ny mangarom-bava, ny misikotra orona, ny mikitikitika ny maso,… satria avy amin’izany no mety hidiran’ny otrikaretina ao aminao.

Vous aimerez aussi