Nahitan-trangam-pahafatesana 1 indray androany tao Toamasina. Vehivavy 54 taona izy ary taizan’aretin’ny diabeta sy tosidrà.
93 kosa ny tranga vaovao voatily ho mitondra ny tsimokaretina, ka ny 71 teto Antananarivo, 21 Toamasina ary 1 Fianarantsoa. Tafakatra 1 596 izany ny isan’ireo voa hatrizay.
37 kosa ny isan’ny sitrana ka ny 29 dia tao Toamasina, 5 Antananarivo,…Mitontaly 655 izany ny isan’ny sitrana rehetra.
928 ireo mbola tsaboana, ka 9 ireo manana fahasemporana.
14 kosa ny isan’ny maty hatrizay.
18 119 ny fitiliana vita hatramin’ny nisian’ny tsimokaretina teto.
Nitombo be
Raha maro no sitrana omaly dia nitombo izaitsizy indray ny tranga vaovao voatily tamin’ity andro ity. Efa ho 100 latsaka kely no voatily ho mitondra ny tsimokaretina ao anatin’ny 24 ora.
Midika izany fa mitsimbalivaly eo ny tarehimarika. Tsy misy izany aretina voafehy izany eto raha tsy fitiliana maro dia maro no indray atao, ka ahazoana mamehy ny tsimokaretina.
Mila mitandrina sy miarotena ny tsirairay satria tsy fantatra velively ireo mitondra ny tsimokaretina kanefa miriorio anaty fiaraha-monina any.
