Hanao fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena frantsay Macron sy ny Praiminisitra Edouard Philippe rahariva fa hihiboka tanteraka i Frantsa manomboka rahalina, noho ny fielin’ny valanaretina Coronavirus ao amin’ny fireneny.
Tsy afa-hivoaka ny trano, araka izany, ny olon-drehetra ao an-toerana, ankoatra ny olona manana anton-javatra lehibe, toy ny ara-pahasalamana ihany.
Efa nisy rahateo ny fampiatoana ny fampianarana any an-toerana sy ireo toeram-pivoriana samihafa, toy ny toeram-pisakafoanana sy ny fialamboly, ny mozea,… io maraina io.
Firenena eoropeana fahatelo
Firenena fahatelo, aorian’i Italia sy Espana, eo amin’ny firenena eoropeana i Frantsa amin’ny fihanak’ity valanaretina ity. Noho izany, naka izao fepetra izao ny tompon’andraikitra ambony.
Hatreto dia mitontaly 5.423 ireo olona voan’ity coronavirus ity ary 127 no efa namoy aina.
Mihazakazaka ny fihombon’ny aretina satria mahatratra 36 ny maty ary olona 900 no voany, ao anatin’ny 24 ora, ao Frantsa.
Ho an’i Italia kosa dia efa mahatratra 368 ny isan’ny maty ao anatin’ny 24 ora. Mitontaly 1.809, araka izany ny olona maty tao aminy, hatramin’ity maraina ity.
