Ny fisahanana ny fanaraha-maso amin’ny fanatanterahana ny fepetra mikasika ny fiarovana amin’ny valanaretina Coronavirus. Io no tanjon’ny fivorian’ireo tompon’andraikitra io maraina io, izay nahitana ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Fitaterana, ny Raharaham-bahiny, ny Filaminana anatiny, ary ny Serasera, ary koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, izay natrehin’ny solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
Atoka-monina
Voadinika tamin’izany ny ahazoana mifehy ny fivezivezen’ny olona sy ny fanaraha-mason’ny fahasalaman’ireo mpandeha amin’ny zotra rehetra iraisam-pirenena mampitohy ny firenena vahiny amin’i Madagasikara, izay atao eo amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato irery ihany.
Noho izany, ny mpandeha rehetra avy amin’ny zotra avy amin’ny firenena eoropeana, izay efa iparitahan’ny aretina Coronavirus eo amin’ny stade 2, alohan’ny 19 marsa 2020, amin’ny 11 ora sy 59 mn alina, dia atoka-monina avy hatrany.
Haverina avy hatrany
Ireo zotra rehetra avy amin’ny firenena tsy voakasika kosa, saingy mitondra olona mpandeha avy any Eoropa, La Réunion, Mayotte, Chine, Korea Atsimo ary Iran kosa dia haverina avy hatrany amin’io fiaramanidina io ihany, manomboka ny alakamisy 19 marsa io ihany.
Amin’izany dia ny kaompaniam-pitaterana ihany no mandray an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny famerenana ireo mpandeha ireo.
Ferana tanteraka ny sambo
Araka ny tapaka tamin’izao fivoriana izao ihany koa dia tsy mahazo miditra eto Madagasikara ireo botry na sambo na karazam-pitaterana an-dranomasina avy any amin’ny firenena nahitana ny Coronavirus, toy an’i La Réunion sy Mayotte.
Ho fisorohana sy hiomanana amin’ny fipariahan’ity valanaretina ity dia ampitomboina ny toerana hametrahana ireo ahiana ho mitondra ity aretina ity ary hamafisina ny fampahafantarana io areti-mandoza io.
