Olona 3 no namoy aina androany, noho ny tsimokaretina coronavirus. Tafakatra 29 izany ireo maty. Niakatra izaitsizy koa ny isan’ny olona voa, satria mahatratra 216 izany, ka ny 209 tamin’ireo no teto Antananarivo, 5 tao Moramanga ary 2 Toamasina. Miisa 2728 izany ny isan’ireo voa hatrizay.
21 kosa ny isan’ireo sitrana androany, ka mitontaly 1078 ny isan’izy rehetra.
Mbola miisa 1621 kosa ireo olona tsaboina, ka 31 no manana fahasoratana noho ny fahasemporana.
Mitotaly 23976 kosa ny isan’ny fitiliana natao hatrizay.
Andohalika ny ranombary
Mihazakazaka izaitsizy ny fitombon’ny fahavoazana noho ity valanaretina coronavirus ity. Mitombo ny maty, tsy mitsahatra miakatra ny isan’ireo voa.
Miharihary fa tsy voafehy ny valanaretina hatreto. Toa samy tsy mahita vahaolana mahomby na ny Fitondrana na ny vahoaka, izay tsy afaka mihiboka.
Andrasana izay mety ho fanapahan-kevitra amin’ny paik’ady vaovao.
