CORONAVIRUS : Midangana izaitsizy ny vidin’entana

Tongolo gasy : 20.000 ar, sakamalaho : 15.000 ar, voasary makirana : 12.000 ar,… Izany no vidin’ny iray kilao amin’ireo sakafo ireo, eny amin’ny tsenan’Andravoahangy, io maraina io.
Miha misondrotra tsikelikely ny vidin’izy ireo, araka ny fifampiresahan’ny mpivarotra satria heverina ho mitondra hery fiarovana amin’ny valanaretina coronavirus ireo entana ireo.

Aiza ny Ministera sy ny Mpiaro ny zon’ny mpanjifa ?

Vao ora vitsivitsy no nanaovana ny fanambarana ity aretina ity dia mipoitra tsy ela akory ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra.

Hifamono ankolaka an-toerana eto, noho izany, ny malagasy satria tsy tokantrano firy no ahavita manangona ny sakafony tena ilaina mandritra ny herinandro.

Raha variana teny amin’ny vidim-bary ny tompon’andraiki-panjakana dia manao ny ataony indray izao ny mpivarotra legioma.

Midina ifotony fa tsy ao anaty birao

Ny teny anivon’ny farmasia moa dia efa najifa tamin’ny vidiny ambony dia ambony koa ny fanafody sy ny fitaovana heverina ho ilaina amin’ny fiarovana ity aretina ity.
Tsy ny vary ihany, araka izany, no tokony hifampitsinjovana fa tokony arahi-maso avokoa ny vidin’entana rehetra, satria ny ankamaroan’ny malagasy dia mitady ny hohaniny anio avokoa.
Efa baikon’ny Filoham-pirenena hatrizay koa ny tokony hidinan’ny Minisitra eny anivon’ny vahoaka fa tsy ao anaty birao fotsiny, satria eny an-tsena samihafa eny no tena ahalalana ny fahasahiranan’ny vahoaka tokony ho tompoina.

Vous aimerez aussi