« Rehefa miakatra ny maripana sy misy ny rotsakorana dia mora miparitaka ny coronavirus, kanefa tsy maharitra izany satria mamono ny otrikaretina ny tara-masoandro. Mifanohitra amin’izany anefa ny hatsiaka izay tena tian’ity coronavirus ity, satria eo amin’ny 3 ka hatramin’ny 17° C eo no tena tiany ». Anisan’ny fanazavana nentin’ny Dr. Razafindramavo Lalao Madeleine, ekipa teknika eo anivon’ny sampandraharaha « Santé et Environnement » eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany.
Araka ny fikarohan’ireo manam-pahaizana hatrany dia voalaza fa ny 90%n-ny olona voan’ity aretina ity dia tsikaritra fa niaina tao anatin’io mari-katsiaka io avokoa.
Ankoatra ny hatsiaka anefa dia fantatra ihany koa fa tian’ity otrikaretina ity ny hamandoana.
Hiditra amin’ny ririnina isika
Koa hiditra amin’ny vanim-potoan’ny ririnina isika izao. Hahazo vahana, araka izany, io valanaretina io ka tokony hisy ny fitandremana goavana. Anisan’izany ny fanaovana mafana, ny fitaninana andro.
Ho an’ny olona tsy mahazaka na tsy salama rehefa amin’ny andro mangatsiaka dia ilaina ny mampitombo ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fiakanjoana mafana, misakafo mafana sy be otrikaina ary maro loko.
Tsy misaraka amin’izany anefa ny fitanana ny fahadiovana, toy ny fanasan-tànana mba tsy hidiran’ny otrikaretina amin’ny maso na orona na vava.
Hafa ihany ny mihiboka
Ny fiarovana tsara indrindra koa anefa dia ny fihibohana ao an-trano mba tsy hiainana ny rivotra maloto eny an’arabe. Hery fiarovana lehibe manko ny rivotra madio.
Ny fahadiovan’ny tontolo iainana dia ahazoana miady amin’ny aretina maro. Ny tontolo maloto dia mahabe ny aretina.
Misy ifandrasana tokoa, araka izany, ny toetrandro sy ny fahasalamana. Marihina manko fa anisan’ny aretin’ny fitaovam-pisefoana ity coronavirus ity.
