CORONAVIRUS : Mitombo hatrany ny voa : 109 androany

Nandavo olona 2 indray androany ny tsimokaretina coronavirus.Tsy mitsaha-mitombo intsony hatreto ireo olona voany. 109 indray no voatily androany, ka 88 no teto Antananarivo. 457 ny isan’ny fitiliana natao tamin’izany. Efa 2512, araka izany, no voany ary 26 no matiny.

Miisa 17 kosa no sitrana tamin’ity anio ity, izay teto Antananarivo sy Toamasina. 1057 izany no sitrana hatrizay.

1429 kosa ireo mandalo fitsaboana, ka 34 amin’ireo no voalaza ho manana toe-pahasalamana mananosarotra.

Mitotaly 23 244 ny isan’ny fitiliana vita hatramin’izay.

Atao ny ezaka rehetra

Ankoatra ny fakana fepetra mahazatra amin’ny fanaovana sarontava sy ny fisasan-tànana matetika dia zava-dehibe indrindra koa ny mikolo ny fahadiovan’ny tontolo manodidina. Manampy trotraka ny valanaretina manko ny fisian’ny loto mbola hita etsy sy eroa, izay tena fototry ny aretina rehetra.

Mila ezaka goavana, araka izany, ny tsirairay, satria tsapa ho fotoam-piovana izao fandalovan’ny valanaretina coronavirus maneran-tany izao.

Ho an’ny Malagasy manokana dia mbola vitsy ny manana toeram-pivoahana sy toeram-pidiovana araka ny tokony ho izy. Koa asa raha laharam-pahamehana kokoa, amin’izao vanim-potoana izao, ny fanamboarana kianja sy sekoly,…manara-penitra noho ny fanomezan-drano sy toeram-pivoahana ho an’ny vahoaka.

Vous aimerez aussi