Olona roa indray no lavon’ny valanaretina coronavirus, voalaza tamim-pomba ofisialy androany. Samy tao Toamasina avokoa izy ireo, ka ny iray « assistant parlementaire »-n’ny Depiote voafidy tao Brickaville ary efa Ben’ny Tanàna teo aloha.
Efa notsaboina, telo herinandro, tao amin’ny hopitalin’i Morafeno Toamasina ity lehilahy 52 taona, mitondra ny anarana José Clement Randrianasolo ity. Tsy tana anefa ny ainy, noho ny aretin’ny tosidrà nitaiza azy koa.
Araka ny fanarahan’ny fianakaviana ny lalàna anefa dia tsy maintsy nalevina tao Ampasambazaha Toamasina ihany ny razana fa tsy nentina tany amin’ny faritra nihaviany.
Araka izany moa dia miisa 18 ireo namoy aina tamin’ity valanaretina ity.
73 kosa no tranga vaovao androany, araka ny fitiliana 373 natao, ka ny 66 dia eto Antananarivo, 3 Vakinankaratra, 3 Analanjiofo ary 1 Sava. 2078 izany no totalin’ireo olona voan’ity tsimokaretina ity hatrizay.
37 kosa no sitrana androany, izay manome ny isa rehetra 944.
Miisa 1 117 kosa ireo an-dàlam-pitsaboana, ka ny 24 amin’ireo no manana fahasarotana ara-pisefoana.
20 964 moa no isan’ny fitiliana vita hatrizay, izay toa tsy ho todin’ny Fanjakana mihitsy ny hanatratra ny fitiliana 1 000 isan’andro.
Efa mihanaka ihany anefa ny valanaretina raha vao tsy voafehy amin’ny alalan’ny fitiliana izy ity.
