Miisa 18 ny olona vaovao mitondra tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy tamin’ity andro ity. 7 tao Tomasina, 5 Antananarivo, 3 Toliary ary 3 tao Tolagnaro.
975 izany no voa hatrizay.
Fitiliana miisa 340, izay nataon’ireo laboratoara telo moa no nahazoana ireo tarehimarika ireo.
Olona 1 tao Befelatanana kosa no sitrana. Mitontaly 201 kosa izany izy ireo.
Mitontaly 767 kosa ireo mbola tsaboina, ka mijanona ho 9 hatrany ireo marary manana fahasemporana.
Mijanona ho 7 kosa ny namoy aina.
12 907 moa izany ny tontalin’ny fitiliana vita hatramin’izay nisian’ity valanaretina ity.
Firaisankina sy fiaraha-mientana
Tsy misy afa-tsy ny firaisankina no manan-danja indrindra amin’ny ady iombonana.
Rehefa goragora ny firaisana dia mahazo laka ny fahavalo. Indrindra ho an’ity fahavalo tsy hita maso ity, kanefa azo iadiana tsara.
Ny fiaraha-mientana, noho izany, no zava-dehibe, ka samy haka ny fepetra fiarovana ny tsirairay avy mihitsy. Na ny iray aza manko no manao antsirambina dia ho voa ny maro an’isa.
Tsy sarotra tanterahina loatra kosa ny mandray ireo fepetra : misarontava, manasa tànana, mielanelana iray metatra. ‘Zay fotsiny !
