CORONAVIRUS : Nisy 14 ny tranga vaovao

Nisy 14 ny olona voatily vaovao voan’ny tsimokaretina coronavirus tamin’ity alahady ity. Mampiakatra ny isa ho 149 voa hatrizay izany.

1 ihany kosa no sitrana ka mitontaly 98 izany no isan’izy ireo.

Noho izany, 51 ireo mbola tsaboina, izay marihina kosa fa tsy misy seho mampiahiahy. Ny maty koa tsy misy.

Atsinanana sy Antananarivo

Ho an’ireo 14 vaovao voa ireo dia ny 8 hita tany amin’ny Faritra Atsinanana ary ny 6 kosa dia teto Antananarivo. Raha soritana kokoa dia teny Soavimasoandro ny 5 ary teny Andranonahoatra ny 1.

Araka ny fampitam-baovao dia efa samy mandray ny fitsaboana azy avy, eny anivon’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana izy ireo.

3.611 no vita fitiliana

Voalazan’izao fahitana tranga vaovao izao fa misy ary mitohy hatrany ny fitiliana hatao amin’ity otrikaretina ity eto amintsika. Nambara fa miisa 3.911 ny isan’ireo olona vita fitiliana hatrizay.

Tsy mbola mijanona izany fitiliana izany fa mitohy hatrany, indrindra noho ny fisian’ireto tranga vaovao misimisy ireto ka heverina ho tsy afa-miala amin’izany ireo hafa nifanerasera tamin’izy ireo. Na ankohonana izany na fianakaviana na mpiara-monina na mpiara-miasa sy mpiara-mianatra…

Efa misy hoe ny fanafody

Na dia eo aza ny fahitana ny tambavy heverina ho fanefitra sy manasitrana ity otrikaretina ity dia tokony hanamafy hatrany ny fitandremana ny tsirairay.

Tsy mbola voaporofo ho tena manasitrana ity tambavy ity, araka ny fanazavan’ireo manampahaizana maro. Saingy io aloha no voakaroka hatreto ary samy mbola manao ny fikarohany avy ny manampahaizana maneran-tany. Tsy hiandry volana maro ivoahan’ny vokatry ny fikarohana kosa anefa fa azo atao aloha ny mampiasa izay efa hita ary hatsaraina hatrany izany, noho tsy mbola fisian’ny fanafody iraisana.

Mila tohizana mafimafy kokoa hatrany anefa ireo fepetra fiarovana : fanaovana sarontava, ny fisasan-tànana matetika,…

Vous aimerez aussi