CORONAVIRUS : Sady mampiditra no mamoaka

Tena ara-bakiteny ankehitriny ny fitenenana hoe sady mampiditra no mamoaka, raha ity resaka tsimokaretina Coronavirus ity no asian-teny.

Vao namoaka fanambarana indray manko ny tompon’andraikitry ny fitaterana fa raràna ny fitaterana olona avy any amin’ireo faritra efa misy ity tsimokaretina ity. Ankoatra an’i Chine dia voarara koa ny avy any Hong Kong, Macao ary Taiwan tsy hiditra eto amintsika na dia efa firenena 52 aza no voakasik’ity Coronavirus ity.

Manamafy izany fampitandremana izany ny eo anivon’ny tompon’aandraikitra ara-pahasalamana maneran-tany (na ny OMS) mba hanamafy ny fitandremana satria heverina ho mbola hiparitaka manerana ny firenen-drehetra ity tsimokaretina ity, ato anatin’ny andro maromaro ho avy.

Kaompania tsy manaja lamina

Vao ny alahady lasa teo anefa no nisian’ny fiaramanidina niantsona tao Nosibe Hellville, izay nitondra teratany sinoa sy mpianatra malagasy iray avy any Chine. Nandray ny fepetra momba izany ny tompon-andraikitra ara-pahasalamana ao an-toerana, ka natoka-toerana izy ireo ho fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny tsimokaretina raha sanatria voan’izany izy ireo.

Ny mahagaga dia nisy 2 tamin’ireo sinoa tonga ireo no mpizahantany, ka naverina teo noho eo ihany. Ny hafa kosa tafajanona, noho ny antony tsy mazava loatra.

Arahi-maso eny Anosiala

Ankoatra ireo dia misy mpianatra malagasy 6 hafa koa sy sinoa 9, arahi-maso eny amin’ny hopitalin’Anosiala, ankehitriny. Ny iray amin’ireo no efa tena voamarina fa tsy mitondra ny tsimokaretina. Andrasana kosa ny valin’ny fitiliana ho an’ireo hafa.

Miahiahy ihany ny olom-pirenena ankehitriny ny amin’izany toe-javatra izany satria tsy tokony hisy intsony ny fidiran’ny olona avy any amin’ny tany ahiana ho tafiditra eto.

Tokony ho mailo kokoa

Manoloana ny zava-misy dia mahagaga ny Malagasy maro ny mbola hisian’ny kaompania Ethiopian Airlines mitatitra mpandeha avy any Chine na dia efa nanao fanambarana manafoana izany aza ny tompon’andraikitry ny fitaterana eto amintsika.

Toa tsotsorina fotsiny ny filazana fa « Raha misy amin’ireo kompaniam-pitaterana an’habakabaka ireo ka mandika izay toromarika izay, dia anjaran’ilay kompania no miantoka ny fampitokana-monina (mise en quarantaine) ireo mpandeha nentiny ».

Toa midika izany fa tsy olana ny fahatongavan’ilay aretina satria ny kaompania no miantoka ny lany.

100 isan’andro no maty

Efa miakatra ho zato isan’andro indray izao no matin’ity tsimokaretina ity ankehitriny. Ary efa mieli-patrana manerana ny firenena 52 izy izao.

Ny firenena manan-katao sy manana mponina matanjaka aza efa manidy vavahady. Ny gasy izay marefo sy efa fadiranovana ity indray ve no miseho tsy maka fepetra hentitra ?

Vous aimerez aussi