COVID-ORGANICS : Mbola betsaka no manjavozavo, hoy ny HVM

Maro ny raharaha manjavozavo manoloana ny fiatrehana ny valanaretina coronavirus ka tokony hilana fanazavana amin’ny vahoaka rehetra. Anisan’ny fanambarana nataon’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) izany.

Araka ny lalàna 2011-002 andininy faha-110, izay mandrara ny tsy tokony hivarorana « fanafody tsiambaratelo » dia nokianin’ity antoko ity ny famarotana ny tambavy Covid Organics eny amin’ny tsena.

Momba io ihany dia nanteriny hatrany fa manjavozavo ny famokarana ity tambavy ity. Tokony ho fantatra, hoy izy, ny tohana ara-bola avy amin’izany. An’ny Fanjakana ve io sa mbola mpividy ihany izy ?

Manoloana ny valanaretina kosa no nanolorany sosonkevitra ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fitiliana faobe, satria efa nampanantena ny Filoha ny hahavitana 500 ka hatramin’ny 1.000 izany isan’andro.

Ho fitsinjovana ireo sehatra tsi-miankina kosa dia tokony hisy ny fanohanana azy ireo amin’ireo fanampiana avy any ivelany.

Manontany ihany koa ity antoko ity ny amin’ny tokony na tsia hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana. Tsapa manko fa toa efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandron’ny mponina, indrindra taorian’ny fahitana ity tambavy voalaza ho fanefitra ity.

Manoloana izany fanontaniana sy soson-kevitra izany dia manontany tena ny mpanara-baovao, indrindra ny mpanao politika raha toa ka misy ilana azy ihany ny hevitry ny mpanohitra na tsia.

Ny eto manko dia hita sy tsapa fa te-handeha irery hatrany ny Mpitondra amin’izay fanapahan-kevitra raisina. Eny, na dia ady hatrehin’ny rehetra aza ity valanaretina ity.

Vous aimerez aussi