DADAH MAHALEO : Ny alakamisy izao no handevenana azy

Ny alarobia izao no ho tonga eto an’Antananarivo ny nofo mangatsiakan’ny mpanakanto Dadah ao amin’ny Tarika Mahaleo. Hisy ny fanaovam-beloma farany azy, etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena, etsy Mahamasina.

Ny alakamisy kosa no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana, ao amin’ny Fiangonana FJKM Analakely. Fiangonana izay nandraisany anjara tamin’ny hira samihafa ihany koa.

Aorian’izany no hitondrana azy ho amin’ny fandevenana ao amin’ny fasan-drazany any Betafo Antsirabe.

Manantitra ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ireo zanany mianadahy ary ny fianakaviana manontolo sy ny tarika Mahaleo ny Agence Malagasy de Presse.

Vous aimerez aussi