DELEGE NY BORIBORITANY FAHAROA : Nofoanana ny arret ny taksibe eo amin’ny Epp Ambanidia

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo, dia nofoanan’ny teo anivon’ny Boriborintany faharoa ny arret ny takibe eo akaikin’ny Epp Ambanidia, ampitan’ny Sainte Etienne, araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany faharoa, atoa Rabemananjara Charmant d’Assise. Ny antony, hoy ny fanazavany dia efa an-taonany maromaroa izay dia nitaraina ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra fa voakotaba izy ireo. Tsy vitan’izay fa hanaovan’ny sasany maloto sy fidorohana zava-mahadomelina ary toerana ahitana mpangaro-paosy betsaka io arret io, hoy ny delege, ka izay no antony nanafoanana io arret io. Voalaza ihany koa fa misy axe roa ihany koa eo amin’ity arret nofoanana ity. Ny iray mankany Ambohipo ary ny faharoa mankany Mandroseza. Eny amin’ny garazy ny arret mankany Mandroseza, raha eo amin’ny Hôtel FIAVO kosa ny arret mankany Ambohipo, hoy ny delege. Araka ny fanazavan’ny delegen’ny Boriborintany faharoa hatrany dia nahafa-po ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny izay fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo izay ary nahafaly azy ireo koa. Ankoatra izay dia efa miverina ihany koa ny raharaha rehetra eo anivon’ny Boriborintany faharoa. Mikasikan ny mariazy dia miverina ny fanaovana izany ny asabotsy, ary izay zakan’ny seza ihany noraisina, izany hoe 32. Na izany aza dia manaja ny fepetra ara-pahasalamana hatrany ireo mpanatrika, ka anisan’izany ny fanaovana gel, ny arotava ary ny fanajana ny elanelana. Mikasika ny fanaovana ny legalisation sy ny certification dia mandray olona foana manomboka ny alatsinainy ny Boriborintany, manomboka amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 4 ora folakandro, fa mifarana amin’ny zomà ho avy izao kosa ny fanaovana ny service minimum. Tsy voafetra ny fandraisana ny certification sy ny légalisation ary vita eo ny ho eo ireo taratasy ireo, hoy izy. Momba ny vakisiny dia nitombo ny isan’ny olona nisoratra anarana hanao vakisiny ka eny amin’ny HJRA Ampefiloha izy ireo no manao izany. Hahazo ny vakisiny sahaza azy ihany koa ny mpiasan’ny CUA sy ny fianakaviany ary afaka misitraka izany rehefa feno 18 taona miakatra, ka eny amin’ny Malacam izy ireo no manao izany manomboka ny zomà izao, hoy hatrany ny delege. Momba ny tetikasa madinika indray dia mamarana ny asa izay natao teny Mahazoarivo ny Boriborintany amin’ity herinandro ity. Hiditra amin’ny fanaovana ny tetikasa 2 izy ireo dia eny Tsiadana ny voalohany ary lalan-kely no amboarina eny sy ny lalan-kely eny Mahazoarivo, hoy ny delege.

300 no hatao vakisiny

Ho an’ny Boriborintany fahatelo kosa indray dia mahatratra 300 ireo zokiolona no nisoratra anarana hatao vakisiny, ka ny croix rouge no miandraikitra izany, hoy ny delege, Ramiandrisoa Lalaina. Nambarany, fa tao anatin’ny tapa-bolana no efa nandray ireo anarana hatao vakisiny izy ireo ary mivantana avy hatrany any amin’ny HJRA Ampefiloha manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora folakandro izy ireo no manao izay vakisiny izay. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fizarana ny Ankohonana Miarina, ka vola 5 alina ariary isam-bolana no raisin’izy ireo ao anatin(ny 6 volana, ka ny FID no mpamatsy vola amin’izany, hoy hatrany ny delege ny Boriborintany fahatelo.

Vous aimerez aussi