DELEGEN’NY BORIBORINTANY FAHATELO : Hametraka drafitra maty paika entina hijerena ny tanora sy fanazavana ny tanàna

Tsy mikely soroka amin’ny fampandrosoana ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra, ny ben’ny tanàna, atoa Naina Andriantsitohaina, miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy, indrindra fa ireo delege isaky ny boriborintany 6, hanao izay hahasoa ny boriborintany tsirairay. Araka ny fanazavana voaray, dia nisy ny fitsidihana niaraka tamin’ireo mpamatsy vola nijery sy nahafahana manome asan’ny tanora eny anivon’ny boriborintany tsirairay ary nifampiresaka tamin’ireo ray aman-dreny. Nisy ny fitsidihana toerana maromaro sy kianja filalaovan’ireo tanora. Anisan’izany ny fijerena ny kianja basikety, voley, fanaovana tsipy kanety be teny Mandroseza. Marihana, fa niarahana tamin’ireo delege 6 sy ny ben’ny tanàna ary ireo mpamatsy vola ny fitsidihana ireo toerana ireo. Avy eo nizotra tetsy Ankadifotsy ny dian’ireo delegesiona, nijery ny mety ho fanatsarana ny toerana fialamboly sy filalaovana mba ahafahan’ny tanora miaina ao anatin’ny fanatanjahan-tena. Nitohy tetsy Analamahitsy ny dia, ka nisy ny fihaonan’ireo delegesiona tamin’ny ray aman-dreny sy ny tanora. Nialohavan’ny fivoriana sy atrikasa nandritry ny tontolo andro moa ity fidinana ifotony natao ity. Ho an’ny boriborintany fahatelo manokana indray, dia nilaza ny delege, atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa araka ny lamina napetraky ny ben’ny tanàna sy ny toromarika nomeny, dia mametraka paikady sy drafitra entina hanazavana ny tanàna sy ny toerana maizina ny delege amin’izao fotoana izao. Mampahery sy mandrisika ny ekipan’ny CUA rehetra hisedra ny sakantsakana maro samy hafa ary mba hamita ny adidy sy ny andraikitra napetraka amin’ny tsirairay, ny delegen’ny boriborintany fahatelo.

Vous aimerez aussi