DEPIOTE NIVORY TENY AMIN'NY CCI IVATO : Nanao fitiliana momba ny valan’aretina Covid19

Araka ny fanazavana voaray, dia nisy tamin’ireo depiote izay nivory teny amin’ny CCI Ivato no voalaza fa voan’ny valan’aretina covid19. Avy hatrany dia natao fitiliana tao amin’ny hopitaly tao Andohatapenaka ity solombavambahoaka voan’ny coronavirus ity. Tsy ity farany ihany no nanao fitiliana, fa ny ankamaroan’ireo depiote ihany koa, satria vani-potoan’ny ririnina isika izao, ka mora mapihanaka ny valan’aretina. Aleo misoroka toa izay mitsabo, hoy ny filohan’ity Antenimierampirenena ity, ka antony nirosoan’izy ireo tamin’ny fitiliana izay natao ny alakamisy lasa teo. Nilaza ihany koa ireto solombavambahoaka ireto, fa ilaina ny fitiliana tahaka izao, satria raha hody any amin’ny vady aman-janany izy ireo, dia mety hamindra aretina, raha sanatria, ka tsy manao fitiliana. Ahoana ihany koa ny vahoaka any amin’ny distrika izay naha voafidy azy ireo, izay mety hapihanaka ity valan’aretina?. Rehefa vita ny fitiliana, hoy ireo depiote, dia afaka mijoro vavolombelona eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny vahoaka izy ireo aorian’ny fitiliana izay natao, hoy hatrany ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi