DEPIOTE RABEHAJA JEAN : Nisitraka fotondrafitr’asa maro avy tamin’ny filoha Andry Rajoelina, ny distrikan’i Toliary voalohany

Araka ny fanazavan’ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Toliary voalohany, faritra Atsimo andrefana, dia maro ireo fotodrafitr’asa toa ny lalana sy tsena izay vitan’ny fitondram-panjakana tao amin’ny distrika. Nisitraka izany ny mponina ary nahazo fotodrafitr’asa sy ny anjarany ihany koa ireo tantsaha mpamokatra vokatry ny faharatsian’ny lalana, izay efa vita avokoa ny ankamaroany, hoy ny depiote Rabehaja Jean. Nambarany fa saika novalian’ny filohampirenena avokoa ny fangatahana izay nataony sy izay tena nampaharary ny vahoaka. Anisan’izany ny fanamboaran-dalana tao antampon-tanàna, izay novatsian’ny AFD vola. Vita rocade ny lalana ratsy tao Sanfily. Ny lalana ratsy izay nampitaraina tao amin’ny lalam-pirenena fahafolo RN10, izay mampitohy an’ny Ambohitsabo sy Tanambavy. Efa vita ihany koa ny fanamboarana ny tsena ao Bazary be Sanfily sy Sakamaha. Nahazo tombony tamin’ny famatsian-drano ny tao Andranomena ary nosoloina ny fantson-drano rehetra tao an-toerana, izay voalazan’ny solombavambahoaka fa hamatsy rano ny tapany atsimon’ny nosy. Ny rano no tena mampijaly ny mponina, ka miezaka ny mitady vahaolana ny solombavambahoaka. Araka ny fanazavan’ny depiote Rabehaja Jean hatrany dia ny axe amin’ny lalana aoa ntampon-tanàna dia efa saika vita béton avokoa. Eo am-pamitana ny lalana rarivato ao Ampasikibo izay mirefy 10 kilometatra ny solombavambahoaka amin’izao, izay tetikasa vatsian’ny AFD vola. Farany, fil ana jirama mirefy 1 300 no nosoloina tamin’ny andrin-jiro izay hanazavana ny tampon-tanàna. Fehiny, nahazo fotodrafitr’asa mendrika avy tamin’ny fitondram-panjakana foibe sy ny Governoran’ny faritra Atsimo andrefana i Toliary voalohany ary nankasitraka ny filohampirenena Andry Rajoelina ny depiote Rabehaja Jean.

Vous aimerez aussi