DEPIOTE TODISOA ANDRIAMAMPANDRY : Sahirana amin’ny ara-tsosialy ny mponina ao amin’ny boriboritany fahaenina

Misedra olana samihafa ny mponina ao amin’ny boriborintany fahaenina Ambohimanarina, raha ny nambaran’ny solombavambahoaka Tim voafidy tao an-toerana, Todisoa Andriamampandry. Ny jiro sy ny rano tapaka. Midangana ny vidim-piainana. Sahirana amin’ny filaharana rano lavareny ny mponina. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana.

Maizina ny tanàna, sns… Tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ireo vahoaka ao Ambohimanarina, hoy ny depiote Todisoa. Efa nitondra ny anjara birikiny sy namaha ny olana izay azo novahana izy, raha ny nambarany.

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy, mba hijery sy hamaha ireo olana mianjady amin’ny mponina ao amin’ny boriborintany fahaenina ireo ary hitondra vahaolana haingana. Ny hiverenan’ny rano sy jiro ary ny sosialim-bahoaka amin’ny laoniny no vaindohan-draharahan’ity solombavambahoaka ity, hoy hatrany izy.

Vous aimerez aussi