DEPIOTEN’AMPARAFARAVOLA : Nanolotra arovava 8 000 sy nitondra fanampiana ho an’ireo sahirana

Mbola mitohy ny fizarana arovava ho an’ireo olona tsy manana izany, izay hataon’ny depioten’Amparafaravola, ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, amin’izao fotoana izao. Ny sabotsy lasa teo, dia nanolotra arovava 8 000 izy ary nitondra fanampiana ara-tsakafo toa ny vary, menaka, paty, sardine, siramamy ary savony ho an’ireo olona tena sahirana ara-pivelomana tany Amparafaravola. Hitohy amin’ity herinandro ity ny fanampiana izay hataon’io solombavambahoaka io, raha ny nambarany, ka kaominina efatra indray toa an’Ambaiboho, Tanambe, Amparafaravola… no hisitraka izay fanampiana izay. Araka ny fanazavana voaray, dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana ny distrikan’Amparafaravola, satria nahitana trangana valan’aretina coronavirus tany an-toerana, ka mba ho fanampiana sy ho fiarovanany an’ireo vahoaka any an-toerana no nahatonga ny depiote nandray ny andraikiny sy ny tsy hiparitahan’ity aretina ity ao amin’ny distrika izay nahavoafidy azy. Hentitra ny depiote nilaza fa raha mbola mihanaka ity valan’aretina ity ao Amparafaravola, dia hohentitra ny fampanarahana ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana, hoy ny fanazavany.

Vous aimerez aussi