DISTRIKAN’ I MIDONGY ATSIMO : Ahitana haromontana

Raim-pianakaviana iray sy zaza madinika miisa roa no norambasan’ny aliaka romotra, tao amin’ny ditrikan’ny Midongy atsimo ny faran’ny herinandro teo. Tranga fanindroany, ity niseho farany ity, hoy ireo mponina any an-toerana. Nalefa haingana any amin’ny hopitalin’i Vagaindrano izy 03 mianaka ireto mba ahafahana manara-maso ny toe-pahasalamany.

Maro aliaka mirenireny

Antony lehibe mahatonga ny fisian’ny haromontana any amin’ny distrikan’ny Midongy atsimo ny fahamaroan’ireo aliaka mirenireny eny an-tanàna. Manoloana izany, nanentana ireo mponina mitaiza aliaka ny manam-pahefana isan’amabaratongany any an-toerana mba hamatotra azy ireny. Niara-dalana tamin’izany ihany koa ny fanentanana ireo miompy aliaka mba hitondra ireo biby hatao vaksiny ho fanefitry ny haromontana. Marihana fa raha tsy voatsabo ara-potoana ny haromontana dia mety hiafara hatrany amin’ny famoizana aina mihitsy. Andalana amin’ny fandefasana vaksiny fanefitry ny haromontana ho an’ny biby ankehitriny ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana.

Vous aimerez aussi