DISTRIKAN’ANDRAMASINA : Sahirana ireo tantsaha, manjaka ny tsi-fandriampahalemana

Mahatsiaro hatrany ho kamboty velon-dray aman-dreny sy tsy misy mpiahy ny mponina ao amin’ny distrikan’Andramasina, ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana. Ireo tantsaha mpamokatra miady irery amin’ny fitadiavana ny hoenti-manana hividianana ireo masomboly sy ny biby ompiana. Lany sy ritra ny teo ampelan-tanana nentina niatrika ny fampihodinana ny fiainana andavanandro nandritra ny fihibohana, hoy Dadazefa, iray amin’ireo mponina tantsaha ao Ambohimiadana Andramasina.

Kaominina miisa 04 amin’ireo 14 mandrafitra an’Andramasina ihany no mba nisitraka ny « vatsy tsinjo » ary ireo beantitra sy tena sahirana no nahazo tamin’izany. Alaim-panahy hieritreritra fanavahana loko politika sy ny halako bika tsy tiako tarehy, araka izany, ireo mponina any an-toerana. Raha tsiahivina, solombavambahoaka avy amin’ny antoko mpanohitra no lanim-bahoaka, tao Andramasina.

Tsikaritra ho maro ireo olona nila ravinahitra avy any an-drenivohitra no niverina mamonjy an’Andramasina tanindrazana niaviany noho ny fahaverezan’asa. Mananosarotra, araka izany, ny fanavahana ny olon-dratsy sy ny tsara amin’izy ireny. Vokany, mirongatra saika ho isan’andro mihitsy ny halatr’omby, vaky trano ary ny halabotry amin’ny endriny samihafa. Mampahazo vahana ny asa ratsy ihany koa ny faharatsian-dalana ao amin’ity kaominina ity. Ny fahantrana lalina miampy ny hanohanana, etsy andaniny mampirongatra ny fanaovana asa tsy mendrika any an-toerana.

Hetahetan’ireo tantsaha any Andramasina ny hanolorana azy ireo masomboly toy ny katsaka, vary, vomanga ary ny zanak’akoho hompiana. Toerana mahavokatra ny ao amin’ny distrikan’Andramasina saingy toa hadinon’ny fanjakana foibe ny manolo-tanana azy ireo ho amin’ny fampivoarana ny asa fambolena sy fiompiana izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana.

Vous aimerez aussi