“EBM INSTITUTE” : Manofana ireo mpianatra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana

Ny hanofana ireo tanora mpianatra ho lasa mpandraharaha sy ho lasa mpitantana orinasa no antom-pijoroan’ny Oniversite tsy miankina “EBM Institute”. Oniversite tsy miankina izay manana Lalam-piofanana miisa telo dia ny “Transit et Doaune” sy ny “Gestion et Administration d’Entreprises” ary ny “Droit et Techniques des Affaires”. Diplaomam-panjakana “DTS” sy “Licence” ary “Master” no atolotry ny Oniversite tsy miankina “EBM Institute” aorian’ny fandrantoana fahaizana amam-pahalalana ao aminy.

Ireo mpianatra ao amin’ny “EBM institute” izay mizara roa amin’ny karazana fampianarana. Misy ny natokana ho an’ireo tanora mpianatra vao avy nahazo ny diplaomam-panjakana Bakalorea. Eo ihany koa ny an’ireo olona efa miasa kanefa mbola te hanohy fianarana. Manana paikady manokana amin’izay fampianarana izay ho an’ireo avy any amin’ny faritra ihany koa ity Oniversite tsy miankina ity. Ny fahavitana ireo Lalam-piofanana ao amin’ity Oniversite tsy miankina ity izay tonga dia hahafahan’ireo tanora mpianatra miatrika asa avy hatrany any aoriana. Tsy mena-mitaha amin’ireo Oniversitem-panjakana rahateo ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo tanora mpianatra mivoaka ao amin’ny Oniversite tsy miankina “EBM institute”. Tena mampiavaka ity Oniversite tsy miankina ity ny fanomezan-danja ny famolavolana ireo mpianatra mba hanana toe-tsaina miavaka eo amin’izay fomba fitantanana sy fandraharahana izay ka hahatonga azy ireo ho matihanina.

Tanjon’ny Oniversite tsy miankina “EBM Institute” ny hananan’ireo tanora mpianatra fihariana ho azy ireo manokana fa tsy hiasa amin’ny orinasa hafa hatrany. Nandritry ny taona maro nijoroan’ny “EBM institute dia efa betsaka ireo mpianatra misongadina tao amin’izy ireo teo amin’ny sehatry ny fandrahararahana sy ny fitantanana ka efa nahatsangana orinasa, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny  Oniversite tsy miankina “EBM Institute”, Randriamanana Tatamo.

Vous aimerez aussi