EKAR AMBOASARY ATSIMO : Nampaneno lakolosy amin’ny tsifandriampahalemana

Mampiteny ny moana ankehitriny ny halatra toy ny fandravana omby aman’osy (halatr’omby sy osy), ny fanafihana mitam-piadiana izay matetika amoizana ain’olona tsy manan-tsiny. Manginy fotsiny ny fanaovana takalonaina sy fanolanana vehivavy ary fampijaliana sy fanaovana herisetra amin’ny olona amin’ny fomba mamoafady. Ireo no ampahany amin’ny endrika isehoan’ny tsifandriampahalemana iainan’ireo mponina saika isanandro vaky, ao amin’ny distrikan’Amboasary atsimo.

Miantso fandraisana andraikitra, nanolotra vahaolana

Manoloana ireo rehetra ireo, nanao antso avo ho an’ireo tomponandraikitry ny filaminana any an-toerana sy ny fanjakana foibe ny avy eo anivon’ny Eglizy katolika Romanina any an-toerana. Efa tsy mandry an-trano intsony ireo mponina ao an-drenivohitra sy ambanivohitr’Amboasary atsimo, hoy ny pretra Razafimanantsoa Philémon noho ny tahotra sy horohoro vokatry ny asa ratsin’ireo mpandroba.

Vokany, tsy afaka mifantoka intsony amin’ny asa famokarana izay ataony ny isam-batan’olona any Amboasary atsimo. Vao mainka nampitombo ny fahantrana sy fahasahiranana efa niainan’ireo mponina ihany koa izany.

Anisan’ny antony nampirongatra ny tsifandriampahalemana any Amboasary atsimo ny fiparitahan’ny basy eny am-pelantanan’ireo olon-tsotra. Nanolotra soso-kevitra ny amin’ny tokony hanangonan’ny fanjakana ireny basy ireny aloha ny Ekar Amboasary atsimo mandra-piverin’ny fandriampahalemana any an-toerana.

Mila hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ireo rehetra monina ao anatin’ny distrikan’Amboasary atsimo hahafahana mitily izay mety ho olon-dratsy. Tsy nisalasala ny pretra Razafimanantsoa Philémon,  ny amin’ny tokony hanasaziana mafy ireo tra-tehaka manao ny asa ratsy mampahory ny mponina. Andrasana fatratra ny fandraisana andraikitra maika sy mahomby avy amin’ireo matihanina amin’ny fampandriana fahalemana fa mijaly ny mponin’Amboasary atsimo.

Vous aimerez aussi