Raikitra ny fandoroana kodiarana afovoan’ny arabe tetsy Ampefiloha, tsy lavitra ny Plazza, io maraina io. Ny antony : mitokona koa ny mpianatra ao amin’ny ENS Ampefiloha.
Tsy eken’ireo mpianatra ny fanafoanana ny « mini-mémoire », satria mety ho takiana aminy izany any aoriana any, indrindra raha mba hivoaka any ivelany izy ireo, hoy ireo mpianatra. Eo ihany koa ny fitakiana ny vatsim-pianarana 5 volana mbola tsy voaefa. Manoloana ny fampianarana ihany dia takian’izy ireo ny hiverenan’ny fampianarana haingana, satria mikatso noho ny fisian’ny fitokonan’ny mpampianatra izany. Ary farany, takian’izy ireo ny tranon’ny mpianatra, izay efa nanaovana fangatahana nandritra ny fotoana naharitra.
Fanairana ihany ny androany, hoy ireo mpianatra fa mbola hitohy izany raha tsy misy ny fepetra raisin’ny Fitondrana, manoloana izany.
Nivoaka ny faritra misy azy moa izy ireo mba ho hitan’ny tompon’andraikitra ny fitakiana ataony.
Sorona ny mpianatra
Araka ny fantatra dia nanao fitokonana ihany koa ny mpianatra eny Vontovorona, ka nanao fihetsika tahaka izao, noho ny antony ara-pampianarana ihany.
Tokony hisy, noho izany, ny fandinihina lalina ity Fampianarana Ambony ity mba tsy ho sorona lava ny tanora eto amintsika.
