Faha-100 taonan’ny OIT : Hatsaraina ny tontolon’ny asa

Paikady iombonana iadiana amin’ny herisetra mba hoenti-manatsara ny tontolon’ny asa,  manoloana ny firoborobon’ny teknolojia sy ny fiovaovan’ny toetrandro. Izany no anisan’ny lohahevitra hodinihin’ireo tompon’andraiki-panjakana avy amin’ny firenena maherin’ny 40, mandritra ny fivoriambe hanamarihana ny faha-100 taonan’ny OIT (Organisation Interanationale du Travail na ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa), izay atao any Genève nanomboka omaly.

Handray anjara fitenenana manoloana izany ireo mpandray anjara amin’ity fihaonana iraisam-pirenena ity. Manatrika izany koa ireo sendikà sy solontena tsy miankina avy amin’ny firenena 187, izay mpikambana ao amin’ny OIT.
Anisan’ny miatrika izao fihaonambe izao moa ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.
Marihina manko fa manana birao fiasana eto amintsika ny OIT ka manohana tanteraka an’I Madagasikara izy amin’ny sehatrasa maro ary manome fanampiana ihany koa eo amin’ny asa sy ny tontolony.
Ny tanjona amin’izao fihaonana izao dia ny handrafitra fenitra iraisam-pirenena sy hamolavola politika ary hanangana fandaharan’asa ho fampivoarana ny asa mendrika ho an’ny rehetra.
Eo indrindra koa ny fandinihana ny asa sahaza ho an’ny tanora sy ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy.
Marihina moa fa ny taona 1919 no niforona ity fikambanambe ity. Ary izy no hany sisa fikambanana iraisam-pirenena mbola mijoro hatramin’izao.

Ramanana

Vous aimerez aussi