FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA AN’HABAKA : Misokatra ny fakan-kevitra andiany faharoa

Misokatra ho an’ny rehetra ny fakan-kevitra andiany faharoa amin’ny fahalalahana maneho hevitra an’habaka. Teboka lehibe maromaro no hojerena amin’izany dia ny famaritana ny anjara asan’ireo sokajin’olona misehatra amin’ny serasera an’habaka toy ny mpanao gazety matihanina, ireo mpampaneno lakolosy, ny infliansera sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny hijerena ireo lalàna efa misy ary ny fiarahamiasa amin’ny mpiaramiombon’antoka sy ny mpahay lalàna amin’ny fandrafetana ireo hevitra voaangona ho lasa lalàna hatolotra eny amin’ny Antenimierampirenena. Tanàndehibe miisa folo farafahakeliny no hanatanterahana ity fakan-kevitra ity ary angonina aorian’izay ireo hevidehibe izay ho haravona havadika ho lalàna ho fiarovana ny asan’ireo mpisehatra an’habaka sy ny fahalalahana maneho hevitra. Hisy rahateo ny mpahay lalàna izay hiara-hiasa amin’ny komity mpandrindra ity fakan-kevitra ity mba handrefetana izany.

Solontenan’ny mpiaramiombon’antoka nitafa tamin’ny mpanao gazety ny zoma 19 janoary lasa teo teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny Maître Eric Rafidison izay nanambara fa “maro ireo mpanao gazety sy olon-tsotra nalefa tany am-ponja noho ny ny fanehoan-kevitra nataony nandritra ny fito taona farany tao anatin’ny Fitondrana farany teo”. Na nisy aza ny lalàna mifehy ny mpanao gazety dia mbola hita taratra ny finiavana hifehy ny asa fanaovan-gazety ka niteraka ireny fanagadrana sy fifandirana matetika teo amin’ny mpanao gazety sy ny mpitondra teo aloha. Mba tsy hiverenan’izay sy ho fiarovana ny zo amin’ny fahalalahana maneho hevitra no anton’izao fakan-kevitra ny rehetra izao hijerena manokana ireo andinin-dalàna mety mbola ahiana hanohintohina ny fahalalahana maneho hevitra manaraka ny soatoavina malagasy.

Tanjona moa ny ahafahan’ny rehetra haneho hevitra ankahalalahana ampahamendrehana tsy hanohintohina ny hafa manaraka ny soatoavina malagasy ka fahalalahana maneho hevitra tena izy no hisy satria izay ilay fanavaozana niadiana ho an’ny Firenena. Efa nisy ihany ny fanitsiana nentina tamin’ny fakan-kevitra andiany voalohany ny volana novambra 2025. Nanao antso tamin’ireo mpanao gazety ny Minisiteran’ny Serasera mba ho fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera  misy. Taorian’izay dia nisy ny fametrahana ny komity manokana misolotena ireo mpanao gazety. Napetraka ny rijan-teny mikasika ny fanovana ny lalàna mifehy ny serasera ka hirosoana ny fandinihana ny fampiharana azy. Nojerena koa ny hametrahana ny didim-panjakana mametraka 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰n𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘪𝘯𝘰 𝘷𝘢𝘬𝘺 𝘫𝘦𝘳𝘺 (𝐴𝑁𝑅𝐶𝑀). Antenaina hitondra fanavaozana lehibe amin’ny fahafahan’ny tsirairay haneho hevitra malalaka izao fakan-kevitra izao mba tena hitondra soa ho an’ny Tanindrazana ny serasera an’habaka amin’izao vanim-potoana iainana ao anatin’ny teknolojia an’habaka izao.

Vous aimerez aussi