FAKO ENY ANDRALANITRA : Hahodina ho angovo sy zezika

Efa ho 30 taona izao no lasa toby fanariam-pako ho an’Antananarivo ny etsy Andralanitra. Mandraka ankehitriny mbola miaritra ny fofona ratsy sy tsy maha salama aterak’izany ny mponin’Andralanitra, toy ny ao amin’ny toby Akamasoa, tantanin’ny mompera Pedro.

Hahodina ho angovo sy zezika

Ny Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Raharinirina Vahiniala no nanambara fa hotanterahana amin’ity taona ity ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ho amin’ny hanodinana ny fako miavosan’Andralanitra hanjary angovo madio azo ampiasaina sy zezika biolojika. Naha velombolo ireo mponin’Andralanitra ny nandre ny fanambarana nataon-dramatoa minisitra. Anisan’ny hetahetan’izy ireo, araka izany, ny hanatanterahana haingana ny tetikasa. Maro amin’ireo monina manodidina an’Andralanitra tokoa mantsy no nanana olana eo amin’ny taovam-pisefoana vokatry ny fofona ratsy avy amin’ny fitobian’ny fako eny an-toerana. Raha tsiahivina, efa im-betsaka ny mompera Pedro, lehiben’ny toby Akamasoa no nangataka tamin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hijerena akaiky ny olana ateraky ny fako eny an-toerana. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa efa mampiasa ny teknolojian’ny fanodinana ny fako ho angovo ny kaominina ambonivohitry Fianarantsoa ankehitriny.

Vous aimerez aussi