Firenena miisa efatra (Madagasikara, Maurice sy Seychelles ary Comores) eto amin’ny Ranomasim-be Indianina no nahazo famatsiam-bola avy amin’ny « Fonds vert pour le climat ». Famatsiam-bola izay entina manokana hanarenana ny tontolo iainana sy ny vokatr’izany eny amin’ireo mponina eny ifotony. Famatsiam-bola amin’ny fanarenana ny tontolo iainana izay hatao tanjona ny hampipaka ny vokany eny amin’ireo mponina eny ifotony.
Atrikasa mahakasika izany izay nanomboka ny talata 6 may 2025 izay nifarana ny alarobia 7 may 2025, eny Alarobia, no nandraisan’i Madagasikara izany. Ity famatsiam-bola mitentina Ar 10 tapitrisa dolara mahery ity izay ho tsinjarain’i Madagasikara amin’ireo firaisa-monim-pirenena eny ifotony manerana ny Nosy mba hahafahan’izy ireo manangana tetikasa. Hanoloran-tanana ihany koa ireo firaisa-monim-pirenena madinika mba hahafahan’izy ireo mampitombo ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ny fitantanana famatsiam-bola. Tetikasa izay mifandraika amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro indrindra fa ny resaka « adaptation fondée sur les écosystèmes ». Ao anatin’izany « adaptation fondée sur les écosystèmes » ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro izany ny fikolokoloana ny Valan-javaboahary. Ny eto Madagasikara manokana dia ny « équipe régionale de mise en œuvre et le secrétariat du CEF » sy ny « AIKA Madagascar » no manatanteraka izany.
Ankoatra izay dia notohanan’ny « Fondation Franklinia » manokana isika eto Madagasikara eo amin’ny fiarovana ireo karazana hazo atahorana ho lany tamingana. Amin’ity famatsiam-bola entina hananganana tetikasa ity dia ny fanarenana ny tontolo iainana izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny mponina no asa tanterahana amin’izany. Isika eto Madagasikara izay manan-jo hisitraka izany amin’ny maha firenena marefo antsika, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra « point focal national Fonds vert pour le climat », Ravelomantsoa Lova Kanto.
