FAMETRAHANA « FIBRE OPTIQUE » AO FARADOFAY : Afaka mametraka izany ny orinasa Telma, hoy ny governora

Nisy ny olana teo amin’ny fikambanana sy ny mponina tao Faradofay, mikasika ny fametrahana ilay fitaovana “Fibre Optique” ataon’ny orinasa Telma, izay nolavin’ny mponina. Niravona ny raharaha ankehitriny, hoy ny governoran’ny faritra Atsimo Andrefana. Marina fa nisy ny olana teo aloha izay nampifanolana ny andaniny (fikambanana sy ny mponina) sy ny ankilany (orinasa Telma), indrindra fa ny mikasika ny tora-pasika sy ny toerana fitsangatsangana tsara izay mahasarika mpizaha-tany, izay nokasaina hametrahana io “Fibre Optique” io. Nambaran’ny governoran’ny faritra, fa tsy ho rava izany io toerana fitsangatsangana io ary tsy amidy koa ny tora-pasika, hoy izy. Hametraka io fitaovana io tsy ho ela ny orinasa Telma, hoy ny fanazavany. Ankoatra izay, dia nambaran’ny governora hatrany, fa hanavao ny fotodrafitr’asa momba ny sekoly ny orinasa ary hanatsarana izany. Hanao fotodrafitr’asa maro koa izy ireo, hoy ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi