Miteraka fidiram-bola fanampiny, amin’ny vidiny ara-drariny. Manampy mialoha amin’ny fividianana zezika sy kojakoja fambolena. Misy fanaraha-maso sy fiofanana ataon’ny teknisianina “Malto” ary miantoka amin’ny fatiantoka raha sendra tsy mahomby ny vokatra ny fampifandimbiasana ny ”orge” amin’ny voly hafa. Ireo rehetra ireo no anisany sitrahan’ny tantsaha mpamboly “orge” izay hamokarana ny zava-pisotro labiera “THB” sy “Gold”. Tena manampy be ny tantsaha mpamboly “orge” araka izany ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny “Malto”. Manala sahirana ireo tantsaha amin’ny fotoam-pambolena izany fiaraha-miasa amin’ny “Malto” izany nandritry ny 30 taona izao. Ny “orge” izay karazana fambolena azo atao ao anatin’ny fotoana fohy kanefa ahazoana tombontsoa maro.
Manoloana ny fiakaran’ny « droit d’accises » ankehitriny amin’ny zava-pisotro labiera anefa dia manomboka sahirana ny sehatry ny ”orge”. Niakatra ho 293% izany tao anatin’ny 5 taona hany ka miteraka fiakaran’ny vidin’ny zava-pisotro labiera. Ny fahefa-mividin’ny mpanjifa dia voafetra ihany. Io fihenan’ny fanjifana io izay miteraka fatiantoka lehibe ho an’ny tantsaha. Ankoatra izay dia manambana ny hahavery asa mivantana sy tsy mivantana aman’arivony eo amin’ity sehatry ny famokarana labiera eto Madagasikara ity. Tandindonin-doza araka izany ny fiharian’ny tantsaha eto amintsika. Maherin’ ny 20.000 anefa ny isan’ireo tantsaha nisitraka tombontsoa tamin’ity sehatra ny famokarana “orge” ity hatramin’izao. Tranga izay tsy mahazatra kanefa dia tena mampandroso ny toekarena malagasy. Ny “orge” avadika ho « malt » no akora fototra amin’ny famokarana ny labiera fanta-daza toy ny “Thb” sy ny “Gold”.
Nandritry ny 50 taona nisian’ny “Malto” dia tamin’ity taona ity no nisian’ny fanangonana betsaka indrindra. Maherin’ny 11.300 ny “orge” voaangona tany amin’ireo Faritra miisa telo izay iadidiany dia ny any Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Ny “Malto” izay sampana iray ao amin’ny orinasa Star ka tantsaha aman’aliny no miara-miasa aminy. Io sampana io izay sady ivon-toerana voalohany sy tokana manodina “orge” eto Madagasikara. Ny fiaraha-miasa izay iorenan’ny famokarana vokatra 100% malagasy. Taom-pamokarana miavaka ity taona ity ho an’ny tantsaha satria dia nahazoan’izy ireo tombontsoa izany, araka ny fanazavana voaray.


