FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY : Raikitra ny « herinandro maty »

Raikitra ny « Herinandro maty » efa nambaran’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony androany. Tsy nisy niroso tamin’ny fampianarana izy ireo io maraina io.

Fanehoana ny tsi-fahasalaman’ny Fampianarana Ambony izao, hoy i Faly Andriamasinoro, Filoha lefitry ny sendikàn’ny SECES, sampana Antananarivo.

Voalaza fa tsy ny eto Antananarivo ihany no manao izao hetsika izao fa ny sampana dimy any amin’ny Faritany indrindra koa. Atao izany, satria tsy mbola mivaha ny olana, amin’izao fotoana izao.
Koa haharitra herinandro ny hetsika, izay iantsoany ireo namana, mba hanairana hatrany ny Fitondram-panjakana sy ny Ministera tompon’andraikitra, hoy ity Filoha Lefitry ny sendikà ity.

Nanteriny fa tsy fidiny ho an’ny mpampianatra izao hetsika izao, saingy tsy maintsy atao satria marary mafy ny Fampianarana Ambony.

Marihina hatrany moa fa ny fitakian’izy ireo ny tambin-karama fanampiny izay tsy voaloa nandritra ny fotoana ela no anisan’izao fitokonana izao. Fitokonana izay mianjady indrindra koa amin’ireo mpianatra eny amin’ny Ambaratonga Ambony.

Asa raha ho voavaha mialoha ny 20 desambra, fe-potoana nomen’izy ireo izao olan’ny fampianarana izao ?

Vous aimerez aussi