Ny taona 2009 nanorenan’I Chef Toky Ramà sy ireo mpiara miasa akaiky aminy ny ivon-toerana ambony fandalinana ny tontolon’ny « Haify », izay nampisaloran’izy ireo ny anarana hoe : « Havila school ». Anarana izay notsoahina avy ao anatin’ny baiboly. Manondro toerana iray, tao an-tsahan’i Edena, rakotra vatosoa sarobidy sy volamena. Antony nampitondrana ny anaran’ity sekoly ity ihany koa ny maha voambolana iraisan’izao tontolo izao ny hoe : « Havila », izay midika fa anisan’ny tanjona hotratrarina ny hitondra avo ny sehatry ny fampianarana ny tontolon’ny « Haify malagasy » hatrany dilambato.
Anisany tombony ary mampiavaka ny fampianarana eo anivon’ny « Havila school » ny fampiarahan-dalana ny fampiasana ny tanana sy ireo fitaovana moderna amin’ny fikirakirana ny « haify ». Ny 85 isan-jaton’ny fampianarana izay misy sokajy roa dia ny maharitra enim-bolana ary ny fiofanana lava mandritra ny 3 taona dia mirona tanteraka amùin’ny fampiharana sy ny kirakira mivantana avokoa. Vokany, tsy manana olana intsony amin’ny fiatrehana ny tontolon’ny asa avy hatrany ireo mpianatra mahavita fianarana sy afa-panadinana. Maro amin’ireo trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana goavana sy manarka ny fenitra iraisam-pirenena eto an-drenivohitra sy hatrany Dilambato no efa mampiasa ireo mpianatra niofana teo anivon’ny « Havila school ».
Nomarihan’I Chef Toky Ramà fa ankoatry ny fanolorana fiofanana ho an’ireo liana amin’ny « Haify » dia afaka miara-miasa amin’ireo orinasa mpikirakira ny tontolon’ny sakafo, fandraisam-bahiny, sns amin’ny alalan’ny fanolorana tolo-kevitra sy fanatanterahana asa ary fampitaovana manodidina izany ihany koa ny « Havila school », izay miorina etsy Mamory Ivato sy ny etsy Analakely. Hisokatra amin’ny faran’ity volana novambra ity, etsy Ivato, ao amin’ny « Bccm », ihany koa ny « Palais de la gourmandise », tantanan’ny « Havila School ». Toerana iray natao hanehoana sy hanjifana ireo zava-bitan’ny mpianatra izy ity ary hfaneraserana mivantana amin’ny rehetra. Hetahetan’izy ireo ny mba hanohanan’ny fanjakana ny sehatrasa tahaka izao ho reharehan’ny Malagasy sy ho fampivoarana ny toe-karena. Miady irery ny mpandraharaha Malagasy. Resabe no betsaka hatreto !
